<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>191</hymn_number>
<title>Ny Teny sy Fanahinao FFPM191</title>
<lyrics>[V1]
 Ny teny sy Fanahinao,
 Ry Ray, mba avelao
 Handroso tsara, hanavao
 Izao tontolo izao.
 Mitombo, mihabe
 Ny ratsy izao, odrey !
 Fa vitsy ny mpanomponao
 Izay ifalianao.

[V2]
 Vonjeo, ry Jesosy ô !
 Ny Fiangonanao,
 Fa misy marobe izao
 Izay mody olonao,
 Anefa tsy manao
 Izay tena sitrakao.
 O, ry Mpanjaka lehibe !
 Mba mamonje anie.

[V3]
 Fanahy ô ! mba raisonao
 Izay vavakay izao ;
 Ny fonay mba havaozinao,
 Ny maso hazavao,
 Hahafantaranay
 Izay alehanay,
 Mba hamoazanay izao
 Izay voa tianao.</lyrics>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>